Mozika Tsotra Izao - Vol 1

Feo roa

by Nanie

on Mozika Tsotra Izao - Vol 1 (2021)

Ho inontsika moa ny andro izay mandalo
Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana
Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana

Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
Izay notiavintsika ka lasa namololona
Tsara kolokolo ka tsiriritin'olona

Fa ianao no amiko izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotra izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Na tsiky na tomany no miraraka
Mahavelon'aina ny hira izay hiraina

Ho inontsika moa ny andron'ny maraina
Raha mitampifi hatrany ny kalo izay hiraina
Fa ianao no amiko izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotra izao

Song Comments
On Feo roa by Nanie

Must have JavaScript enabled to comment.